Exodus 30:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo amin’ny tandrok’io ôtely io no hanaovan’i Aarôna ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran’ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin’i Iaveh io ôtely io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»
Malagasy Bible 1865
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aoka hanao fanavotana eo amin’ireo tandrony* indray mandeha isan-taona i Arona; indray mandeha isan-taona no hanaovany fanavotana ho azy amin’ny ran’ny fanatitra noho ny ota izay atao fanavotana, ary io dia hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby ka ho masina indrindra ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.