Exodus 30:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha avy izay hanisanao ny zanak’i Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotra aina ho an’i Iaveh izy tsirairay avy rehefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjò azy, amin’ny fanisana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.
Malagasy Bible 1865
Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa manao fanisana ny Zanak’Israely rehetra ianao amin’ny fandaminana azy dia samy handoa avotry ny ainy ho an’NY TOMPO avy ny olona tsirairay, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy rehefa isaina izy.
malagasy