Exodus 30:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,
Malagasy Bible 1865
Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.
malagasy
Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
Recommended Reading