Exodus 30:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny manankarena dia tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekela ary ny mahantra dia tsy handoa latsaka, rehefa mandoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO izy hanavotana ny ainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanan-karena tsy handoa mihoatra, ny mahantra tsy handoa latsaka ny antsasaky ny sikla amin’ny fandoavana ny hajian’i Iaveh ho avotry ny ainareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanankarena tsy handoa mihoatra antsasaky ny sekela, ary ny mahantra koa tsy handoa latsak’izany; fa ny tsirairay samy handoa ho AHY ny vola voatondro mba hanavotra ny ainy.
Malagasy Bible 1865
Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny manankarena dia tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekela ary ny mahantra dia tsy handoa latsaka, rehefa mandoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO izy hanavotana ny ainareo.
malagasy
Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.