Exodus 30:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Horaisinao amin’ny zanak’i Israely ny vola avy amin’izany avotra izany ka hoenti-manao ny raharaha momba ny trano lay fihaonana. Dia ho antoka eo anatrehan’i Iaveh izany, ho an’ny zanak’i Israely hanavotana ny ainy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.
Malagasy Bible 1865
Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Israely ianao ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana*; dia ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO izany, ho avotry ny ainareo.
malagasy
Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.