Exodus 30:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koveta varahina mba ho fidiovana, aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana sy ny alitara izy io ka asio rano ao anatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hanao tavy varahina, misy faladiany varahina, hatao fiafanana ianao, ka hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Momba ny fidiovana, dia hisy kovetabe iray ka halimo no hamboarana azy; hasiana faladiany halimo izany, ka hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, sady hofenoina rano.
Malagasy Bible 1865
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koveta varahina mba ho fidiovana, aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ny tranolay fihaonana* sy ny alitara izy io ka asio rano ao anatiny.
malagasy
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.