Exodus 30:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, ary hatao efa-joro, ho roa hakiho kosa ny haavony, dia ataovy miray aminy ireo tandrony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ka hitovy ny lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony; iray amin’ny tandrony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho efamira izy io, ka hirefy dimampolo santimetatra ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Hisy tandrony hatao miray aminy avy eo amin’ny zorony efatra ambony.
Malagasy Bible 1865
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho iray hakiho* avy ny lafiny efatra, ary hatao efa-joro, ho roa hakiho kosa ny haavony, dia ataovy miray aminy ireo tandrony.
malagasy
Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.