Exodus 30:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hiàfana amin’io rano io izy mba tsy ho faty, na rehefa hiditra amin’ny trano lay fihaonana, na rehefa hanatona ny ôtely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
alohan’ny hidirany ao amin’ny Tranolay fihaonana na hanatonany ny alitara mba handoro sorona hanetona ho Ahy TOMPO. Amin’izay dia tsy ho faty izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo,
malagasy