Exodus 30:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ataovy ditin-kazo manitra izany, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, misy sira, tsy misy fangarony, ary masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.
Malagasy Bible 1865
Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ataovy ditin-kazo manitra izany, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ny mpanao haro manitra, misy sira, tsy misy fangarony, ary masina.
malagasy
Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.