Exodus 30:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana* izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io.
malagasy
Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.