Exodus 30:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao dia aza mba misy atao mitovy amin’izany ny ho anareo; ho masina aminao ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany zava-manitra hataonareo izany dia tsy azonareo anaovana mitovy aminy ho anareo, fa hataonareo ho zava-masina ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manamboatra zava-manitra mitovy aminy mba hampiasainareo ho anareo, fa aoka hoheverinareo ho voatokana ho Ahy TOMPO ihany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ny ditin-kazo manitra izay hataonao dia aza mba misy atao mitovy amin’izany ny ho anareo; ho masina aminao ho an’NY TOMPO izany.
malagasy
Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.