Exodus 30:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Apetraho eo anoloan’ny efitra izay manakona ny vata misy ny Vavolombelona izy io, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
malagasy
Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.