Exodus 31:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho Ahy sy ianareo dia io no famantarana amin’ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa Izaho Iaveh no nanamasina anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Milazà amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO izay manamasina anareo.
malagasy