Exodus 31:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho famantarana Amiko sy amin’ny Zanak’Israely mandrakizay izany, satria henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany dia nitsahatra Izy ka niala sasatra tamin’ny andro fahafito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho famantarana mandrakizay ho Ahy sy ny zanak’i Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.
Malagasy Bible 1865
Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho famantarana Amiko sy amin’ny Zanak’Israely mandrakizay izany, satria henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany dia nitsahatra Izy ka niala sasatra tamin’ny andro fahafito.
malagasy
Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.