Exodus 31:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita ny teny nolazainy tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny azy ny vato fisaka roa izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita ny teny nolazainy tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny azy ny vato fisaka roa izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsantanan’Andriamanitra.
malagasy
[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.