Exodus 31:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny tranolay fihaonana sy ny vata hasiana ny Vavolombelona ary ny rakotra fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra momba ny tranolay,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,
Malagasy Bible 1865
dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny tranolay fihaonana* sy ny vata hasiana ny Vavolombelona ary ny rakotra fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra momba ny tranolay,
malagasy
dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.