Exodus 32:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany dia nitangorona nankeo amin’i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Mitsangàna ka anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany dia nitangorona nankeo amin’i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Mitsangàna ka anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
malagasy
[Ny nanaovan'ny Zanak'Isiraely ombilahy kely volamena hiankohofany, sy ny fahatezeran'Andriamanitra noho izany] Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,