Exodus 32:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ny Ejiptiana no avela hilaza hoe: Hahita loza no nitondrany azy ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ny tany. Mialà amin’ny fahatezeranao mirehitra ka manenena ny amin’ny loza izay hanjo ny olonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.
Malagasy Bible 1865
Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ny Ejiptiana no avela hilaza hoe: Hahita loza no nitondrany azy ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ny tany. Mialà amin’ny fahatezeranao mirehitra ka manenena ny amin’ny loza izay hanjo ny olonao.
malagasy