Exodus 32:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ka ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra; ary ny tany rehetra nolazaiko dia homeko ny taranakareo ary izy no handova izany mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»
Malagasy Bible 1865
Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ka ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra; ary ny tany rehetra nolazaiko dia homeko ny taranakareo ary izy no handova izany mandrakizay.
malagasy