Exodus 32:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nanakaiky ny toby izy dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; dia nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy ka natontany ny vato fisaka teny an-tanany ary nopotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
malagasy