Exodus 32:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy aho taminy: Izay rehetra manana volamena dia aoka hanala izany; dia nomeny ahy ireo; ary natsipiko tao anaty afo ireo ka io ombilahy kely io no nivoaka tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy aho tamin’izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany azy aho hoe: «Iza àry no manana volamena?» Niaraka tamin’izay dia nesorin-dry zareo ny firavaka teny aminy ka natolony ahy. Narendriko tamin’ny afo kosa izany, ary io ombilahikely io no nivoaka avy tao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy aho taminy: Izay rehetra manana volamena dia aoka hanala izany; dia nomeny ahy ireo; ary natsipiko tao anaty afo ireo ka io ombilahy kely io no nivoaka tao.
malagasy
Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.