Exodus 32:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia nijanona teo am-bavahadin’ny toby i Môizy, nanao hoe: «Mbà tonga atỳ amiko izay momba an’i Iaveh.» Ary ny zanak’i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin’ireo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nitsangana teo am-bavahadin’ny toby izy, ary niantso hoe: –Izay an’ny TOMPO, mankanesa etỳ amiko! Dia nitangorona teo amin’i Mosesy ny Levita rehetra,
Malagasy Bible 1865
dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy.
malagasy
dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.