Exodus 32:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nitenenany hoe: –Izao no baikon’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Samia mandray ny sabany avy ianareo, ka mandehàna mivezivezy isam-baravarana ato amin’ny toby, vonoy ny rahalahinareo sy ny namanareo ary ny mpifanolo-bodirindrina aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Samia manao ny sabany eo an-tehezany avy ianareo dia mandrosoa ary miverimberena hatreny amin’ny vavahadin’ny toby iray ka hatramin’ny iray hafa, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
malagasy