Exodus 32:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’i Iaveh aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita: –Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony maraina dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Efa nahavita fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny dia hiakatra ho any amin’NY TOMPO aho fa angamba havelany hanao fanavotana ny amin’ny fahotanareo aho.
malagasy
[Ny nifonan'i Mosesy, sy ny navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.