Exodus 32:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.
Malagasy Bible 1865
Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana ankehitriny ka ento ny olona ho any amin’izay efa nolazaiko taminao. Indro ny Anjeliko hitarika anao eo aloha; ary amin’izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
malagasy
Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.