Exodus 32:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandray izany tamin’ny tanan’ny olona izy ka nanamboatra izany tamin’ny fandraka sady nandrendrika azy ho ombilahy kely; dia niteny ny olona hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely; io no nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!
Malagasy Bible 1865
Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandray izany tamin’ny tanan’ny olona izy ka nanamboatra izany tamin’ny fandraka sady nandrendrika azy ho ombilahy kely; dia niteny ny olona hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely; io no nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.
malagasy