Exodus 32:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita izany i Aarôna dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: «Hisy fety fankalazana an’i Iaveh rahampitso.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: –Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso.
malagasy
Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.