Exodus 32:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina ny olona ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sady nitondra fanati-pihavanana; avy eo dia nipetraka nihinana sy nisotro ny olona ary nitsangana nilalao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina ny olona ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sady nitondra fanati-pihavanana; avy eo dia nipetraka nihinana sy nisotro ny olona ary nitsangana nilalao.
malagasy
Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.