Exodus 33:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miala eto ianao sy ny firenena izay noentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ka miakara ho any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana, miaingà avy eto, ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nibaiko an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Mandehana, mialà amin’ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homeko ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mandehana miala eto ianao sy ny firenena izay noentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ka miakara ho any amin’ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
malagasy
[Ny nitenenan'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny nanetren'ireo tena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.