Exodus 33:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitan’ny olona rehetra ny andry rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay; dia nitsangana ny olona rehetra ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitan’ny olona rehetra ny andry rahona nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay; dia nitsangana ny olona rehetra ka samy niankohoka teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy.
malagasy
Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.