Exodus 33:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Dia niverina nankeo amin’ny toby izy; fa ny mpanompony, dia i Josoa, zatovo, zanak’i Nona, dia tsy niala teny amin’ny tranolay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin'ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny lay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Dia niverina nankeo amin’ny toby izy; fa ny mpanompony, dia i Josoa, zatovo, zanak’i Nona, dia tsy niala teny amin’ny tranolay.
malagasy