Exodus 33:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Indro Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity; nefa Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao amin’ny anaranao Aho ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa Ianao nanao hoe: Fantatro amin’ny anaranao ianao, efa nahita fitia eo imasoko ianao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Indro Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity; nefa Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao amin’ny anaranao Aho ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
malagasy