Exodus 33:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa inona moa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? Moa tsy amin’ny handehananao miaraka aminay va ka hiavaka amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa inona moa no hahafantaran’ny olona fa nahita fitia teo imasonao aho sy ny vahoakanao, afa-tsy ny fandehananao miaraka aminay ihany? Izany no hanavaka anay, dia izaho sy ny vahoakanao, amin’ny vahoaka rehetra eto ambonin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin’ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa inona moa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? Moa tsy amin’ny handehananao miaraka aminay va ka hiavaka amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao?
malagasy