Exodus 33:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy kosa NY TOMPO: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’NY TOMPO eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko rehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i Iaveh; fa mankasitraka izay ankasitrahiko aho ary mamindra fo amin’izay amindrako fo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy kosa NY TOMPO: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’NY TOMPO eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo.
malagasy
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.