Exodus 33:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO manko efa nandidy an’i Mosesy mba hilaza amin’ny Israelita hoe: «Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin’izay ny hataoko aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Ianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao eo afovoanao Aho, na dia indray mipy maso monja aza, dia handringana anao; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao mba ho fantatro izay hataoko aminao.
malagasy