Exodus 33:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fanaon’i Mosesy ny maka ny tranolay ka manorina azy eo ivelan’ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny tranolay fihaonana. Ary izay rehetra nitady NY TOMPO dia nankeny amin’ny tranolay fihaonana izay teo ivelan’ny toby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isak’izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain’i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin’izany tranolay izany.
Malagasy Bible 1865
Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fanaon’i Mosesy ny maka ny tranolay ka manorina azy eo ivelan’ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny tranolay fihaonana*. Ary izay rehetra nitady NY TOMPO dia nankeny amin’ny tranolay fihaonana izay teo ivelan’ny toby.
malagasy
[Ny nihaonan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, sy ny naneken'Andriamanitra ny fangatahany] Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.