Exodus 33:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nankeo amin’ny tranolay i Mosesy dia nitsangana ny olona rehetra ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy, ary nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny tranolay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran’ny tranolainy avy, ka mijery an’i Mosesy ambara-pidiny ao amin’ny tranolay masina.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nankeo amin’ny tranolay i Mosesy dia nitsangana ny olona rehetra ka samy nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy avy, ary nitazana an’i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ny tranolay.
malagasy
Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.