Exodus 34:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO: Indro ny tenako no manao fanekena ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany manontolo sy tany amin’ny Jentilisa rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’NY TOMPO, fa mahatahotra izay zavatra hataoko miaraka aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan’ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany manontolo sy tamin’ny firenena rehetra; ho hitan’ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin’ny alalanao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO: Indro ny tenako no manao fanekena ka eo anatrehan’ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga izay tsy mbola nisy natao tany amin’ny tany manontolo sy tany amin’ny Jentilisa* rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’NY TOMPO, fa mahatahotra izay zavatra hataoko miaraka aminao.
malagasy
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.