Exodus 34:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny, na koa hanasa anao izy ka hihinana amin’ny fanatiny ianao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.
Malagasy Bible 1865
fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny, na koa hanasa anao izy ka hihinana amin’ny fanatiny ianao;
malagasy