Exodus 34:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo, tsy hitondra fanatitra eo anatrehako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanak’ondry ny hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahy matoa rehetra amin’ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo.
Malagasy Bible 1865
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo, tsy hitondra fanatitra eo anatrehako.
malagasy