Exodus 34:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny faritaninao; ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao rehefa miakatra hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa haka ny tanin’ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny faritaninao; ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao rehefa miakatra hiseho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.
malagasy
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.