Exodus 34:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia teo amin’NY TOMPO efapolo andro sy efapolo alina izy sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’NY TOMPO tamin’ny vato fisaka ny tenin’ny fanekena, dia ny Teny Folo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’i Iaveh tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’i Iaveh tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana dia ny Teny folo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijanona tao niaraka tamin’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin’ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.
Malagasy Bible 1865
Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia teo amin’NY TOMPO efapolo andro sy efapolo alina izy sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’NY TOMPO tamin’ny vato fisaka ny tenin’ny fanekena, dia ny Teny Folo.
malagasy
Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.