Exodus 34:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nidina avy an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahiny tamin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
malagasy