Exodus 34:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitan’ny Zanak’Israely ny tavan’i Mosesy ka indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’i Mosesy ny tavany indray ny saron-tava mandra-pidiny hiteny Aminy fanindroany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia azon’izy ireo jerena ny tarehiny mamirapiratra. Avy eo dia saronany voaly indray ny tarehiny mandra-piveriny hiresaka amin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitan’ny Zanak’Israely ny tavan’i Mosesy ka indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’i Mosesy ny tavany indray ny saron-tava mandra-pidiny hiteny Aminy fanindroany.
malagasy
Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.