Exodus 34:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy manamarina ny meloka fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maneho ny fitiavako hatramin’ny taranaka faharivo Aho, ka mahalefitra ny heloka amam-pahadisoana ary ny ota; nefa kosa tsy manamarina izay meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka amam-parany hatramin’ny zafiafy sy zafindohalika.»
Malagasy Bible 1865
mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy manamarina ny meloka fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.
malagasy