Exodus 34:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary niteny hoe: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho dia aoka Ianao, Tompo ô, handeha eo afovoanay ka hamela ny helokay sy ny fahotanay ary handray anay ho lovanao, na firenena mafy hatoka aza ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.
Malagasy Bible 1865
dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary niteny hoe: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho dia aoka Ianao, Tompo ô, handeha eo afovoanay ka hamela ny helokay sy ny fahotanay ary handray anay ho lovanao, na firenena mafy hatoka aza ity.
malagasy