Exodus 35:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namory ny fiangonana i Mosesy, dia ny Israely manontolo, ka niteny taminy hoe: Izao no teny nandidian’NY TOMPO hotanterahina:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary novorin’i Môizy ny fiangonan’i Israely rehetra ka nilazany hoe: «Izao no zavatra nodidian’i Iaveh hatao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Ireto no zavatra nandidian’ny TOMPO hotanterahinareo:
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namory ny fiangonana i Mosesy, dia ny Israely manontolo, ka niteny taminy hoe: Izao no teny nandidian’NY TOMPO hotanterahina:
malagasy
[Ny nilazan'i Mosesy ny didin'i Jehovah ny amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny tabernakely, ary ny zavatra naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao: