Exodus 35:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana, hoentiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fitafiana masina ho an’i Arona mpisorona ary ny fitafian’ireo zanany hoentiny manao raharaham-pisoronana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona sy ny fanamian’ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.
Malagasy Bible 1865
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.