Exodus 35:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony avy eo, dia tonga avokoa izay olona rehetra nentanin’ny fony sy malala-tanana, ka samy nitondra fanomezana ho an’ny TOMPO mba hanamboarana ny Tranolay fihaonana, hanaovana fanompoam-pivavahana sy hanamboarana ny fanamiana voatokana.
Malagasy Bible 1865
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana* sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
malagasy
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.