Exodus 35:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO.
malagasy